ORA TOY IZAO - VOLAFIHA
Azo vakiana?
Amin’ny ora toy izao
No anatambarako ny ventsoko
Alefako hiampita
Manko vita izay natao
Dia misosoka ny sentoko
Alahelo anao, antsika.
Amin’ny ora toy izao
Fahanginan’ny tontolo,
Ny rehetra miala sasatra
Fa izaho mahatsiaro anao
Sento mifanolosolo,
Nofy iangaliana fatratra.
Amin’ny ora toy izao
Angatahako amin’ny Ray
Izay ho antsika hatrany hatrany
Ny ora aorian’izao
Manantena hiaona indray
Ao anaty nofy mamy.
Sokajy :
embona
Mombamomba
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 784
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAKI-TSAROBIDYNIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA