You are here: home > Vetso

RY FOKO KELY TIAKO LOATRA - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Rehefa injay memelovelo
Ka itambesaran’alahelo
Dia mitonia, aza sendaotra
Ry foko kely tiako loatra.

Raha manangoly ny fanahy
Ireo embona aman-tsiahy
Dia mionona, aza mitraotra
Ry foko kely tiako loatra.

Raha mila haningotra ny aina
Ireo korontan’adin-tsaina
Dia andrandrao ilay any an-koatra
Ry foko kely tiako loatra.

Sokajy : Fiononana

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 800
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA