You are here: home > Vetso

SAMBATRA - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Sambatra ianao nahay nanadino
Ny zavatra nisy, ny zava-kinendry
Indrisy ‘ty saiko tsy mba mety mino
Fa tsy ianao no anjara voatendry.

Sambatra ianao tsy mba nahare
Ny fangirifirin’ny fialany aina
Indrisy ‘ty foko adala va re
Fitiavana maty no mbola antenaina ?

Sambatra ianao tsy nisy fotoana-
nisaonana akory, nanova fitana.
Indrisy ‘ty izaho na dia efa aman-taona
Ny mainty sy fotsy toa mbola tamàna

Sambatra ianao, sambatra ve?
Satria nahafoana ka mirehareha?
Tsy kivy aho akory f’indray andro any
Hanahaka anao, ho sambatra ihany.

Sokajy : Fisarahana

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 691
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA