Adinoy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana indrisy no dia mitaraina,
Misento mangina no sady tomany;
Ny ambadiky ny alina anie ka maraina e,
Ny rahona sy aizina hisava ihany.

Nahoana ankehitriny no handany fotoana,
Amin'zay ranomaso ho adino rahampitso;
Amboary ny saina hatanjaka foana
Hameno izay banga sy hanitsy ny diso.

...
Dory avokoa ireo diary mirakitra,
Ny alahelo sy sento #navelany_ho_anao.
Zotra hafa indray no ekeo mba handrafitra,
Ny lalam-piainana hizoranao!

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fanampiana
92 1
Mpakafy: Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155