Aiza? (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza ianao r'ilay anjara?
Raha mbola ao dia mamalia.
Aiza ianao f'ilay tantara
Toa efa trotraka, malia.
Tsy ho foana foana mantsy
Ny lisintsika no tanora,
Ka raha ho ela toa tsy ho tanty,
Sy tsy ho zaka moramora.

Raha mandre ianao tongava
Fa miandry ilay irery,
F'andrao ilay zaridaina rava
Dia hankaiza no hiery?
Aiza ianao ry ho tiako
No ho tsinjoko tadiavina?
Aiza ianao ho fifaliako,
Sy ekeko mba ho tiavina.

Sao angamba ho tara loatra,
Raha aoriana ianao vao avy,
Ka indro aho efa any ankoatra,
Vao hanorenanao ny voady.
......

#vonjisoa_ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152