Any anaty fasana any (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tonga ny fotoana
Izay mety handavanao,
Ny fitiavana natolony.
Fa nivadika ny taona,
Ka iny ianao nahita solony,
Dia eo no ora farany
Hahatsapanao ny fitiavany,
Sy fitia tsy mba noferany ;
Ho fafany ireo tantarany,
Ka indro ianao havelany.
Fa handao anao ny fony
Feno ratran'ny fitia
Tsy mba nositraninao,
Ka tsy ho hitanao intsony,
F'efa lasa ka nandao...
Any anaty fasana any
No mizotra ny safidiny,
Ka nanorina ny fiainany
Izay heveriny ho mamy
Sy hahitany ilay marainany.

...
Ary eo ny ho tsapanao
Fa ny fitia nomeny anao,
Dia ny ainy no takalony.
Ka tsisy avelany ho anao
Afa-tsy ny aloalony.
Fa ny fony tia anao,
Ho levoniny tanteraka
Any anaty fasana any,
Na isaorany hono ianao
Ary aza mitomany!

Vonjisoa-Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155