ho an'i... (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i ...

Ianao ilay raozy mena
Zay hany mba nandravaka
ny nofin'ny maraina
tanaty zaridainan'
ny fiainako malia
tsy sahako notazana
fa niandrasako ora
hamelana finaritra
no indro nisy naka
ankeriny tam-poko.
Tsy diso akory ianao,
manaiky aho hitoloko
raha toa k'izay tokoa
no tosiky ny lahatra,
lay hery tsy voafetra
voarisika ho mpanimba
ny anjara vintatsika
...
Manaiky aho, tsy maninona!
na dia nisy sento
very tsy nampoizina
aza tonga tamiko.
Ny zavatra hany tsapako,
angamba tsy ampy anao
ny zeziky ny taniko,
sa tsy ampy kolokolo
nefa foiko ho anao daholo
ireo ora sy minitra
nomena iainatsika,
ireo tonom-bavaka
miloatra eto amin'ny vavako
rehetra tamin'ireny,
ho anao hatrany
raha mbola hoe miteny,
ny rano tao an-tsiny
avy nitarafako
ny endriko nitsiky,
natobako avokoa
mba hamontoana anao,
foiko ho anao ireny.
...
Nefa tsy anenenako,
f'angamba koa ny tenako
tsy mendrika hikolo
sy hikarakara anao.
Dia iny izy sahy
nandrombaka sy naka
ny teo anjaridainako.
Fa tsy asiko nenina,
vao mainka koa aza
mbola ampitomboiko
ny ora ivavahana
atokana ho anao.
Tsy asiako faty antoka!
Fa ny rano matsy
mety ho voaonitry
ny ranomaso latsaka
nandriaka tamin'ny tavako.
...
Fa... misaotra e!
Fa raha tsy lasa ianao
tsy afaka nanoratra
kely toy izao
ny tanako sy peniko.
Misaotra fa ekeko
ho ampy ireny lasa
hanovako pejy,
dia pejy vaovao
tsy misy anaranao.
Nefa... ny tena tsara angamba
ny boky no soloina e,
f'izay!
Tapitra ny ora
ahafako manoratra,
tapitra ny hira
azoko ventsoina
ny momba ireny lasa.
Ka apetrako ny teboka,
fa... misaotra foana,
sy mirary anao ho sambatra
eo anjaridainany!
--------
Rohy:
311 1
Mpakafy: Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158