You are here: home > Vetso

ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO) - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Ity raozy ity no hokarakaraiko
Sy ho kolokoloiko mandram-pahamainany
Fa zary vahy irohizan' ny aiko
Hihaino ny sentoko sy ny tarainany

Ity raozy ity no obeko fitiavana
Hu fahatsiarovako ilay olon-tsoako
Ho hitako hariva maraina ho tazana
Fa raozy navelan' ny mahery fo-ko

Ity raozy ity no horohiko foana

Sokajy : Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha