MALALAKO FAHINY - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Tsy voatanako mihitsy ny alaheloko fahiny nefa...
Nosolaiko fifaliana izany ankehitriny
Mba tsy ho tsaroako intsony ireny lasa ireny
Nangidy loatra tamiko ary tsy tiako hotadidiana raha iny ianao niteny
Fa
Olokafa indray no miaraka aminao, nasolonao ny toerako
Tena tiako ianao ka navelako nandeha fa tsy mba noferako
Satria:
Mahatsiaro sambatra aho ary falifaly
Raha miadana ianao sady tsy mijaly
Tsy arahako alahelo satria malalako fahiny
Notiaviko tokoa, tami-fo madio, nanaovako ilay voady
Nefa tamin'iny dia ravanao sahady
Aza malahelo ireny lasatsika ireny fa....
Efa sambatra aho
Mahita anao finaritra eny antratrany eny
Tiavo tsara izy amfonao manontolo, f'izany no hasambarako
Tsy hanaraka alahelo aho raha manganohano fa...
Te handoa tso-drano hoe:
Ry malalako fahiny, mahorena tokatrano.
HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA. HALELOIA
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 04/09/2019
Mpamangy : 500
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO