Mandalo (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nofin'ny alina
miserana monja,
ny hery mitondra
ny fiainan'ny velona.

Avalan'ny onja
iampita any ho any,
any ankoatran'ny tany
'reo aina miforona;
Handao ny vatana
natolotr'azy.

Ka vatana sisa
no indro tavela,
na ela aza ny ela
dia tsy ho voafafa
ao am-pon'ny velona
ny soa izay navelany.

Toa tsy mampino
Ilay ora ifandaozana
ifankalahelovana,
tena mangidy
tsy ahitana ny mamy
'lay fara-tomany
Tsy maintsy mirotsaka.

Na tsy ho reny
ilay fara-veloma
ifanadinoina
anoloan'ny fasana,
Na tsy hanafana
ny vatany intsony
ireo lamba natafy,
Ny rano nafafy
mba hifamelana,

Dia raisina ho adidy
sy fara-fitiavana,
ho an'ilay havana
tiana, nandao.
...

Toa aloka ihany
malaky mielina,
Dia tsy hiverina
'reo misy rehetra.

Dia lasa any ho any,
Tsy iverina intsony,
Tsy hita izay lalany
na teboka farany
fantatra onenany.

Ny lasany sisa
no ventsoventsoina
rehefa mahatsiaro,
na koa mandalo
ao anatin'ny saina
'reo mamy niarahana,

Ny diariny sisa
no avadibadika
hijerena ny sariny,
raha tonga misesika
anatin'ny fo
'reny soa izay navelany,
...

Vonjisoa ANDJANIRINA
18 -04 -2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
96 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168