NY FITIAVANY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy angamba izay, tsy hitako ny atao,
Tsy maintsy ho tezitra izy raha toa aho hanambara fa...
Misangy ny alaheloko izao ataony izao.
Ka aleo mangina, sy mody hifaliana
ilay hany fiala-tsininy.
Dia hoy aho : tsy maninona.
Fa any anatiko any,
Mirehitra mamay, toa miaro solitany.
Teo no nahatsapako fa, olombelona aho,
Ny saiko te hikiry fa marefo ilay fanahy ka
Ny foko injao marary.

Ka tsy sahiko ny hanary
Izay hany sisa toky kelin'ny fitiavako.
Tsy ho ataoko fantany fa mijaly aho any anatiko,
Fa na misy aza tsy tantiko, dia...
Hitsiky aho rehefa hitany.
K'isaorako ny vitany...

Fa rehefa tena tsapako ho foana ilay fitiavany,
D'iezaka aho hamoy,
Ezahako adinoina miandalana eny ihany,
Ilay ratra izay navelany.
Tsy hotazoniko izy, raha toa k'izay no sitrany.
Ho avotsotro ny tanany.

Am'izany kosa aho, ho tena lehilahy.
Tsy handrotsa-dranomaso na hisento kely akory,
Fa hitsiky aho rehefa hilaozany.
Ny tsiky izay ataoko dia tena avy ao am-po.

Vonjisoa ANDJANIRINA
07.02.2026
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
67 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134