Ny Hafatro - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Ianao ry volana iny no irery mampiray,ny any sy ny aty
Raha sitrakao indrindra
Meteza ianao hitsidika, 'lay sakaizako any
Fa manina azy aho, ka ianao no hafarako, raha sitrakao indrindra
.
Mandehana ianao izao anio izao hankany aminy any
Rehefa tonga ianao,dondony moramora ny varavara-tranony
D'izao hambara aminy raha toa ianao ka raisiny
.
"Hariva hono hoe ny fotoana fanembonan'ilay sakaizanao
Raha iny izaho nandalo, dia niangaviany indrindra
Hitatitra aminao ny vetsovetso-keliny sy ny hafatry ny teniny.
Matsiaro anao hono izy,latsadranomaso fa malahelo indrindra
Izay no ambetiteniny,ka naverimberiny
Sao hadinoko hono
Raha ny fahitako, toa feno anao ny fony
Indrindra moa ny fihetsiny niangavy indrindra tamiko, tena nitalaho
Toa tiany angamba ianao
Ny hany farateniny,veloma hono ianao ka aza manadino
Izay no tena hafany fa ianao raha hino"
.
Voalazanao izany dia mba tompazo maso lay endriny efa lafatra
Ity no saika hadinoko
Rehefa avy any ianao de mandalova kely fa andrasako eto
Mba hi
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 30/11/2019
Mpamangy : 101
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ma meilleur prièreTSIA SATRIA
TSIRIRITRA
TONTOLON'NY POETA
TSIAROKO
ny soratro
Misaotra anao nampindrana
MALALAKO FAHINY
VELOMA FARANY
Leo