Omaly (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly

Nitia anao ny foko
Ka nanambara izany
Fa tsy nasianao sira
Sy navelanao tomany,
...
Mafy tamiko iny
Satria tena fitiavana
Nivoaka avy ao am-po.
No nasetrinao fandavana,
...
Eny, nitia ahy ihany ianao
Fa naharoharonao
Fitaka sy lainga
Tena tsy nampoiziko.

Fa androany.

Tapitra ny fetran'
Ny fara-fiaretana
Azoko laniana
Hisisika aminao.
...
Aleo mampionon-tena
Mionona ho tsy tiana
Ka hiova lalan-kafa
Sy hanadino anao.

Nefa na izany
Tsy ho afaka ato ampoko
'lay tena fitiavana
Nitiavako anao.
...

Nefa rahampitso

Mety hisento ihany
Ny fo anatinao
Rehefa mahatsiro
Ny lasatsika ireny.
...
Kanefa amin'zany
Tsy hahita ahy intsony ianao
Na ilay finiavako
Nikiry hitia anao,
...
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
97 1
Mpakafy: Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014