Raha mbola teto ianao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha teto mantsy ianao:Mety ho manga ihany ny tokotanin-danitro,
Mety ho maraina foana ny famantaran'orako,
Mety ho mafana ihany ny alin'ny ririniko,
Mety ho tsiky foana no hita teo imolotro.
Raha teto angamba ianao:
Nafanafana taratra ny masoandro modiko,
Namiratra hita ihany ny kintana fijeriko,
Nanento fofo-manitra ny raozy anjaridainako,
Nihira fifaliana ilay vorondreo sakaizako.
Raha mbola teto ianao :
Tsy rava sasankalina ny nofy izay naoriko,
Tsy maina fahavaratra ilay lisin'ny fitiavako,
Tsy maty anaty foko ny raozy manantena,
Tsy lo ampaniriana ilay voninkazokeliko.
Saingy indrisy, tsy eto intsony ianao,
Dia raraka ny sentoko, tsy vatra nosakanana.
Arahana fisaonan'ny fo manganohano,
Veloma aki malala a, mandria ampiadanana !
Vonjisoa ANDJANIRINA (09.05.2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/08/2026 09:06
