RAOZY MAINA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANTATRA
Satrin'ny saiko ny hoe hanadino
An'ilay olo-tiako kanefa tsy tia,
Nefa ny foko tsy mba mety mino:
Tsy maintsy misisika foana hitia.
Adidiko mantsy ny ho te- sy maniry, ho
Tiavin'ilay olo-tiako tsy tia, fa
Raozy voavoly ka tsy hay.raha hitsiry
Anaingo ilay foko adalam-pitia

FANANTENANA
FA lohantaona izay nantenaiko
N'Anjara masoandro mamiratra soa
No lasa ririnina zary sedraiko, ka
Tonga mahery sy toa mahavoa.
Efa ela ihany aho no mba nanantena
Naniry ho tiavina nefa indrisy. F'
Anjaran'ny fo ka tsy maintsy ekena
NA dia nanakona ilay mba tandrify

SALOHY
Setrin'izay nosoratako izay, dia
Alok'endrika sy ranomaso, fa ny
Lanitro manga dia tampoka injay
Onja mahery no manafosafo mb'
Hamoy anao ilay tiako hatrizay
Indrisy ry foko fa vidiana lafo.


Vonjisoa ANDJANIRINA.
--------
Rohy:
619 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148