Sento mangiana (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ranomaso latsaka, tsy mba misy mampangiana,
Feno sento sy taraina rehefa injay mamaton’alina,
Io no fo maratra mafy, sady vontom-pahoriana,
Malahelo tsy mitraka anaty faharesena lalina.

Misy endrika manjombona, tsy mba misy mpahalala,
Izay miaina hirifiry tsy mba misy mampitony,
Misy fo iray misento fa voafitaka malala,
Tsy te iaina anaty ora na minitra iray intsony.

Misy jiro mitsilopy, tsy mba afa-manazava
Izany efitra onenan’ny fo iray mamelovelo.
Misy feo iray mitaraina, nefa tsy afaka milaza,
Manambara fandresena ami(n’ ny) fo iray malahelo.

Vonjisoa ANDJANIRINA (febroary 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
128 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153