SENTO MIAMPITA I (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe mitovy akory
ny rivotry mitsoka misangy io rahona io
Ny any mety ho tony
Ny aty mahery vaika misandoka tadio
Kanefa androany ihany
Raha lanitra iray fa rivotra samy hafa
No mitsoka aty sy any
Dia tsy mahasaraka ny fo te iombon-tafa

Ny foko raha misento
Fa malahelo anao ka te hahita ny any
Toa sarisary ny eto
Fa ny orako tontolo, dia indro fa efa lany
Hitanisako ny ora
Izay niarahatsika nizara ilay fitia
Dia tsapako ho tsy mora
Ny miaina ampahanginana misento irery aty

Ny volana eny ambony
No tiako mba hafarana hanafaka ny sentoko
Hitondra izany kalo
Hitatitra tomany hampita izany ventsoko
Sy fitia tsy ho ritra
Mitombo lalandava nomaniko ho anao
Fa sento iray miampita
Efa nalefako any no havelako ho anao

SENTO MIAMPITA
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Alahelo
440 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153