Sento miampita III (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Somambisamby indray ‘ty takariva kely,Matoa ilay tsiriry vorona nandao
Namonjy ilay fodiany, nikopaka ka niery
Ilay sakaiza tiany no io tavela teo.
Tazan-davitra ihany toa maso indray mitopy.
No entiny hibanjinany ilay moron-danitra iny.
Ilay rahona misosa sisa hananan-toky,
hampita izany sento ampon’ila niriany.
Io ery fa tazana ilay volana mitranga,
Baliaka rimbina ila, toa manambra feo
Milaza ny tontolo fa efa dify angamba,
K’ampitso indray vao ho hita, ‘lay masoandro teo.
Sentosento irery no hany hanantenany,
Ny fotoana ihavian’ilay oran’ny fitiavany.
Sy jiro mitsilopy hanampy ny hazavan’
Ilay sento iray miampita, ho ao ampon’ny havany.
Vonjisoa ANDJANIRINA (janoary 2023)
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 15/02/2025 16:53
