TONTOLON'NY POETA - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Tsy mbola niova akory ny teny ho lasa soratra
Tsy mbola nisy mantsy ny antsoina hoe mpanoratra
Tsy akory mbola teraka ny gazety sy ny boky
Dia iny ianao no resy tamanan-drotsirotsy
Tanaty nofy lalina tao anaty tory
Rendrika tanteraka, tsy mahalala akory
Fa efa niandry anao ny tontolo tsara voatra
Tontolo hafa iray mahatonga anao hitroatra
Tsy hipetrapetraka sy tsy hitony mihitsy
Dia io ilay tontolo any ambadiky ny misy
Any lavitra any nefa tonganao matetika
Tontolon-javakanto, ilay TONTOLON'NY POETA
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 05/10/2019
Mpamangy : 340
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO