IANAO (yarihm)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izato tsikinao,
izato ianao,
malefaka fitopy,
miangola ka miangola,
sangodingodi-nofiko,
kalo ambetin-teniko
babonao aho

izato molotrao
mamelatra fitsiky
izato tsikinao
nasetriko fitsiky
toa, nofy in-dray niserana
toa, raozy vao mamelana
toronao aho

kalo tsara rindra
ilay bika mamy indrindra
ilay endrikao voakolo
toa bika velom-bolo
nasetriko fitia
dia, navalinao fitia
babo isika roa
niara-babo fo
TIA ANAO AHO
YARIHM
30/06/09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 07/08/2012 13:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863