You are here: home > Vetso

RAHA.....! - yarihm

Azo vakiana?

raha miandrandra ny lanitra ambony,
toa hianoka ilay paradisa
ny fo mahatsiahy ny lasa efa tony:
ontsan-tsento, latsaim-bisavisa

raha tanatin'ny ali-mangina,
horohoro mangon'ny ahiahy
fa tandindon'ilay hakiviana
izay nafafin'ny anjarako ho ahy

raha mibanjina irony voary,
toa lomano tanaty hafaliana
indrisy! ity ferin'ny foko marary
tandindonim-pitiavan'ny tiana

ny kalokalon'ny vorona an'ala
izay mandravaka ilay lohataona
mampahatsiahy ny tiana malala
fa, mampigoaka ny foko ny saona

embonembona sisa, sento tokana ho anao r'ilay havako
veloma!hofa-tanana ho anao any ho any
nefa, tsarovy: mbola velona ny afom-pitiavako
fa tsy matin'ny rotsa-tomany
                              YARIHM
                                 30/05/2012

Sokajy : Fisarahana