You are here: home > Vetso

TOPAZO MASO! - yarihm

Azo vakiana?

  
topazo maso iny volana iny
dia ho tsapanao fa,
hay ny tany misy maminy
      ny fanilony: tara-pahazavana sasak'alina
      ny fangirany: toa paradisa mahamanina
topazo maso irony lani-pararano
dia ho tsapanao fa,
hay aky,
ny masonao manganohano
tsy irery sanatria
     ny lokony, manga toy ny feo,  
     nahalasa ny vinaniko
     dia, lasa niara-nitoreo
     tamin'ny ontsa sy tomaniko
topazo maso ireny kintana mirenty
eny an'habakabak'alina
f'izy ireny notinefy
hanilo anao tanaty lalina
  topazo maso ny vodilani-takariva
  manopy mena zary nofy
  hitondra anao hikalo tanaty feon'antsiva
  hanafosafo anao, tanaty rotsirotsy
topazo maso, ireny voary rehetra ireny
dia hihiratra, ny masonao tanaty tory
ka hanala anao ombieny
tanaty GADRA dia ny VALAN-TSORISORY
                        
                       yarihm
                      14/07/11

Sokajy : Tontolo iainana