"" DRIDRY"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vaky lafatry ny efa goga,Hitsa-petana omby manga,
Koso-bary midridran-gilo,
Kalo gasin'ny fahagola.
Tafasiry mamotsy volo.
Hirahiran-dravoromanga,
Tsikitsikina virijiny,
Boky velan'ny fahagaly
Vatolalaky ny efa tonta.
Boky ihany fa rosovola.
Tabataban'aponga sola,
Horakoraka an-tany haolo,
Torak'antsan'ny malahelo,
Ranomaso voafendrofendro,
Hira vontona tononkalo.
#Zavona #Rakoto. 15...009...00202005
--------
Lien:
Catégorie :
Hain-teny
