NY FASAKO FASAKO IHANY (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ilay FASANA FAHAROA an'i JJ RABEARIVELO

Ny fasako fasako ihany,
Fa ny foko tsy fasana aloha a,
Ny foko na feno tomany (aza)
Tsy mba fasako iray Fanindroa.

Fa no foko dia taova mitempo,
Miantoka ny ampaham-piainako
Ekeko hoe vesaran'ny sento fa...
Mahazaka ny feon'ny Tarainako.

Ny foko dia foko ato ihany,
Tsy ankiniko loatra aman'olona,
Ny foko ho'aho tsy fasan'izany e,
Fa mba fotsiny vizan'ny Tolona.

Fa ny fasako fasako ihany,
Ilay rembin'ny zava-maloto
Ao no mbola hirendrehako ho tany,
Ao no mbola hilevenan'ny foko

Zavona Rakoto 10 oktobra 2026
--------
Rohy:
7 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123