"VAZAHA TAPATAPANY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba efa aiza ho aiza lesy i Madagasikara?
Fa mbola tsy hitako eto 'lay lohasola keliny,
Pejy fahafiry anatin'ny tantara?
Dia mbola misy ve ny soratra sy teniny?

Aiza ho aiza lesy,mba lazao etoana;
Fa very anaty kajy i Dadabe anay,
Efa tonga sa mbola andalam-pandrosoana?
Sa hono efa lasana sy mandry fehizay?

Mbola ito ve ilay madagasikara,
Nisy menalamba nitady fahafahana?
Mbola misy ve ilay fo mangarahara,
Mitolona ny rariny,tsy folaka folahana?

Tsy misy Ntaolo intsony mantsy hono monina any,
Fa Toa Hoe Malagasy mivazaha tapatapany!
Ka eto aho hanontany sady mbola manontany:
I Madagasikara ve mbola monina ao an-dapany?


Zavona Rakoto 29 jona 2026 02:04 ora atoandro
--------
Rohy:
64 4
Hevitra mandeha
ZavonaRakoto ( 29/06/2026 11:06)
Ho fahatsiarovana an'i Madagasikara sy ireo mpanjakany
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.033