"RADO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
( Fahatsiarovana an'i Rado "Georges ANDRIAMANANTENA")Anisan'ny Fanilo natolotrao ny teny...
Ato ambavako aho no mitanisa ireny.
Raki-tsary sisa no ahitako anao
miantsa sy mamboraka...
Izany no manainga ny aiko toa miantoraka;
Hanohy ny vitanao.
Ny antony dia izao...
Tany naniriako ny Bokinao nirenty
Izay tsipelinao koa no zary lasa hety
Nanaisotra izay disoko,
Ny amboara taminao no voan'izay ho ampitsoko,
RY ANDRAREZINAY!
Matetika aho no revo miondrana fanahy,
Lasalasa saina fa sendra mahatsiahy ny resakao mangina:
"Ny tononkalo zandry dia teny fitoriana ny fiainana rehetra"
io no teninao tena tafatoetra matetika tadidiko.
Ka raisiko ho adidiko,indindra ho dimbiasiko...
Adikako hameno ny ravi-taratasiko,
Ny ranomaintintsika tsy avelako ho maina,
Hafatrao io,eny Harafitro ato an-tsaina
Zavona Rakoto 19 febroary 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana
Mpakafy:
ZavonaRakoto - TSIMALAHY
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 19/02/2026 13:08
