Marina Hono izany? (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marina hono izany? mifankatia 'nareo!
Tsy fantatro mazava aloha f'izany indray no feo,
Mielim-patrana any,dia tonga aho hanontany.
Nanomboka oviana dia taiza ho aiza teto?
Miaraka ianareo! izany izao no reko.

Tsy akory aho hila vaniny,indrindra hikotaba!
Fa ny saika hataoko dia mba hiarahaba,
Tsara vintana izy e! izaho moa tsy nambinina.
Raha hiaraka ianareo dia ekeko! tsy maninona.

Fa marina hono izany? mitoe-jaza ianao?
Izany koa dia feo mbola reko hatramin'izao!
Adaladala kely aho,mpihaino vavan'olona.
F'izany rehetra izany dia an-tsaiko ao mitambolona;
(vitany ny afera)

F'ity no tena asa mamotika ny foko,
reko hoe ianareo nitsoaka an-tsokosoko,
Niondrana any ampita,niery ny tanana,
Ny vadinao hoe mantsy lasa mpiasam-panjakana,
ka tsaratsara lasitra! Veloma sombinaiko.

Zavona Rakoto 17 Jona 2026
--------
Rohy:
8 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0262