"ILAY TANDINDONAO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka aho mamafa,miezaka aho manary,
Ao ampoko mihitsy aho no sahy mandoro sary;
Fa...tsy levona doroina ilay tandindonao.
Injay ianao manaloka ny eritro efa lao!

Navalako amparihy,naleviko an-tanety...
Ny saiko mihitsy angamba no efa ka tsy mety,
natorako avokoa n'izao sy ny izao;
Fa...ny any amparahatoko misarintsary anao!
Mamangy anaty nofy.

Triariko ny pejin'ny foko fahagola
F'izaho mihitsy angamba no resinao sy tola,
hatrami'izay rehetra kasaina mba hatao,
Dia io fa hialoavan'ilay tandindonao;
Manjoy ny eritreritro!

Zavona Rakoto 004..0003...0200206.
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana
284 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123