"HAY KA VADIN'OLONA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifanena isika,kisendrasendra tampoka tsy azo nidifiana,ianao midoladola an-tanan'olon-tiana no sendra nahadona,
nodiako mba nifona,toy ny hoe izaho no diso tsy nijery,
niondrika aho avy eo,"hay ka vadin'olona"hoy aho niteny irery.
eto izao vao fantatro fa iny kay'lay niantso nodiany fa hoe zokiny,
ny tena moa mba tsotra,ka tena nampiseho fa tony!tsy sarotiny.
Tsy haiko koa izay marina,fa hainy ilay manafina,hainy ilay mamitaka.
Hay ka menarana! saka lava hoho fa mody mba mamitsaka.
"iny kay no vadiny!"
harivako ihany ny andro,dia mody mba nantsoiko fa... hmmm,tsy nandray.
asa raha hoe tezitra na mody gisa koa fa ao 'lay ankiray,
nasesisesiko ihany,nony kelikely,nivaly izay tinadiko,
izao no valin-kafany "aza miantso aloha fa mbola ao ny zandriko"
kanefa izay ilay vadiny!kkkkk
nihaona nony ampitso,tsy natsafaiko intsony sao m'hitatra ny lainga,
tsara ilay miteny,fa ny mpanamarina ny mpiasa koa dia ny bainga,
niezaka aho ho tony,nohazavaiko tsara ihany koa ny foto-dresaka.
"ianao kay vadin'olona!" tsy hisisika aho f'aleoko dia mipetraka.
Ankon'izy avy eo!
Zavona Rakoto 25 janoary 2025
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 29/01/2025 13:00
