"RATSIRATSY VINTANA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avy nikarama kanefa toa nanavyFarofirofy paosy fa nisy namosavy
Jonetra ampara-tseza mandinika kodiarana
Mila tsy hahavita mianika fiakarana
Avy mba niremby ka hiditra an-tanana
Kanefa ito paosy dia mbola tsy salama
Lasalasa saina fa tsy manana atolotra
Ahoana no fijery iretsy zaza maina molotra
Lasa teo ny saina ka zary niari-tory
Tsy nitondra nody fa atody boribory
Tsiaro ratsy ity ! hoy ny fanenenako
Na ny vadiko aza handatsa anao ry tenako
Tampoka avy teo, niposaka ny anjara
Mangamanga folo no indro nitsirara
Nisaorako ny vintana, jineriko ny lanitra
Tena misy marina ny tanan’Andriamanitra
Tsy ora iray akory no dila dia injao
Trema lahy iray no tonga tsotr’izao
Ketsa roa hoy izy ny ahy no very teto
Ka mino aho fa ireto noraisinao ireto
Nahinjitro ny tanako, nomeko ireo fa azy
Narary loha koa aho fatoy ny hoe voasazy
Ratsy vintana aho ! ekeko ! tsy maninona
Ny tompo nanome fa izaho no tsy nambinina
Zavona Rokoto Antsirabe,22 novambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina - Aingam-panahy
Mpakafy:
NofenoinaNatiora
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 11/02/2026 06:14
