"MBOLA HITAKO ANY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola hitako any 'lay taratasy kely natolotrao ho azy,Mbola any koa 'lay raki-panasanao hamonjy mariazy,
Notehiriziny ao,raha tsy diso aza aho dia ao ambany ondany,
Jineriny isanandro,manjaitra rian-kalo no zary lasa fombany,
"Mbola hitako ao"
dia mbola any koa 'lay raoby novidiana hoazy raha bevoka,
Tsy nanaovany iny fa mbola hitako ao,mivalona tsy tonta.
Ny anarana tinefy kinasanareo roa hoe hisaloran-janaka?
Mbola hitako any,namenoany diary anaty alimanaka.
"Mbola hitako ao"
'lay tenin'Andriamanitra tena maminao koa mbalo hitako ao,
Vao mba hoe mivavaka dia io no toa vakiany isanandro izao,
fa hitako ihany koa,isak'alina izy dia mbola mitomany,
'lay tovolahy nandrava ny mombanareo koa dia mbola hitako any,
"Miaraka ao 'zareo"
Zavona Rakoto 00:00 20251001
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 31/01/2025 14:19
