""MPANITSAKITSA-BADY"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
inay ianao tsy fantatro,lavitry ny misikoinay koa tsy nomeko izay tapaka sosisiko,
f'izao ianao tsy foiko,zary toa tantely,
izao ny vadibeko nanjary vadikely.
"Mpangala-badin'olona!"
inay aho tsy nisangy,inay koa tsy nitsiky
tsy tia an'iny izany aho f'angambany io mikiky.
sanatria ve izaho no hizara ny eto an-tanako?
ny efa azoko aza tsy ampy hoan'ny zanako.
""Tena hafahafa,tsy mba faka vady""
Ny vadiko any izao tsy mahalala akory,
niasa alina aho no fantany ka hody mba hatory,
raha sanatria ka hainy ny zavatra nitranga?
anio hariva ihany aho dia ridana sy banga.
"Mifona aho zanahary"
Ny volako nanjavona tsy dia ahoako loatra
ny toetrako mihitsy no efa tafahoatra.
Eny e,izaho anie mba niezaka niady e!
fa 'lay saiko mihitsy no tia manitsa-bady.
"Loza ity Malala a!"
Zavona Rakoto
--------
Rohy:
Mpakafy:
Ma F.M - ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 26/11/2024 08:45