"" NENINA"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha azoko natao ny mihazona fotoana
Dia azoko najanona ho 'maly hariva ihany,
Ny ritsoky ny androany.

Eto aho vao manenina tsy sahy hanainga penina
Fa tena nanenenako ny fo nisangy anao.
Ny ao anatiko ao!?mangotraka tsy tana
Maina sady Hana satria nizara fitaka,
Ny tsara taminao mihitsy no voahitsaka (ko)

Ny tena Marina aza,
Tsy nisy fo natolotro mba ho anao akory tanatiko hatrizay
Tsy nisy koa fanahy,k'izany no nanaovako saritsarim-py
Mba hampateza tsiky ny fonao tena Tia,
kinanjo zava-doza,voafitako ihany ianao,
Mifona aho tsy hanindroa!!

Zavona Rakoto
--------
Rohy:
73 1
Mpakafy: NofenoinaNatiora
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146