"RAHA TANY IZAO IANAO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tany izao ianao dia...
Nisy nitomoetra ilay seza lafo indrindra;
Nisy mba nanaingo koa ilay dihy mirindra
Mba nosafidiany...
Nisy nankafy ny zavatra mba tiany.
Raha toa ka tany ianao!

Raha tany izao ianao dia...
henonao mihitsy ilay hira nohirainy,
Mety ho fantatrao koa ny tena tao an-tsainy;
Fa latsa-dranomaso izy teo ampiangaliana
Sy teo ampitoriana ny tonony rehetra.
Fa tsy nilainy akory izay olona hitsetra,
Raha toa ka tany ianao!

Raha tany izao ianao dia...
Nisy mba nihaino ny rediredim-pony,
Nisy mba nametra ny taoka nosotroiny.
Ny fiangaviany tamiko hanao izao teny izao?
angamba tsy nataony raha toa ka tany ianao.

123500 Zavona Rakoto /2156..123500
--------
Lien:
196 2
Commentaires
Coia ( 13/11/2025 14:33)
Tiako ity🙏
ZavonaRakoto ( 14/11/2025 08:04)
ise mihitsy no tsarovako teo ampanoratana azy ity.hihi
Coia ( 15/11/2025 03:54)
Izany ve! Sao mba afaka vakiana amin'ny onjam-peo Ilay Sombin-tantara an'ise iny?
Mba valio mp
Djess ( 27/11/2025 13:51)
efa tany aho fa tsy nahita olona
ZavonaRakoto ( 02/12/2025 12:53)
Djess a! Fa iza tamin'ireny ianao,hihihi
Djess ( 03/12/2025 11:20)
ilay sendra nandalo iny ka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128