""SATRIA..."" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataony dridrangilo hipaka an-tsofinao ny antso fitarainany,Nasehony mazava tanaty fitakiana ny haizin'ny marainany,
Fa...
Hazomanga tokana misy voam-barahana no narefitrao,hisolo ny kabary,
Tsy henonao va re ny ratra anaty nofony: Marary,Marary!
Fantatrao fa saingy niniana tsy jerena ny jijaky ny meminy,
Aminao: tsy izy no tompom-pahefana amin-javatra teneniny.
Azy anie ny tany e,azy koa ny hery mbola hisandohanao?
Tsy akory hoe izay tiany,fa vola mbola avy aminy no atao karamanao.
Nisy ny efa maty,fa zaza kosa leitsy tsy fandatsak'aina a !
Meteza handray ny toerany,fa na tsy misy fo aza mba kosa misy saina e.
Mandravarava ise,miezaka manampatra amin'ny hery tsy mitovy,
Fa ho tapitr'io,dia manomboka eo ny valiny;tsarovy!
02330 Zavona Rakoto 010..0010...020020005
--------
Lien:
Catégorie :
Tolona - Tanindrazana
Fans:
ZavonaRakoto
