"TIA AHY HONO ISE" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fantatro mazava na marina na tsia fa tia ahy hono ise,izany aloha no re,fa asa koa izay antony nisehoan'izany.
Saika aho hanontany,saingy toa sadaikatra raha diso ity vaovao,
Fa mantsy tena tiako raha fantatrao mazava f'izaho koa tia anao
Tia ahy hono ise,izany izao no resaka ventesin'ny ato an-trano,
mihitsy aho mila ho mamo dorohan'ny fitia manimani-irery,
Misimisy tery f'ise no re hoe tia kanefa izaho no babo,
Ny "tia" aho sa ny "manina" ?
fa ny ao anatiko ao mihabo ka mihabo.
Tia ahy hono ise? toa tsy izay no marina.
0001 Zavona Rakoto 2702025 003
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 28/02/2025 08:06
