TSAPATSAPA (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niditra hotely aho omaly hariva dia [...[
niandry anao ka niandry,
tena tsy tafandry fa sasatra mierika manodikodin-doha,
Ny seza nofidiako aza (...) sezan'olondroa.

nivazovazo teo aho,nijery ora avy eo dia niato kely indray,
Ny tongotro etsy andaniny miakatra tambonin'ny feako ankiray (...)
sady ahetsiketsiko.
Ny latabatsika efa nofenioko hanim-pitoloha,
Vary roa lovia milaoka hena saosy dia miampy paiso roa,

Dila teo ny ora,tsy hita ihany ianao dia lany ilay sakafo,kanefa tena lafo.
izaho koa tetsy ankilany tsy nahandry teo, nanomboka ho leo,
dila ny ora telo,mongo loatra aho angamba fa zary toa kiriana,
Nitsangana aho dia lasa, "tsy mbola anio aho angamba no ahita olontiana"
Hoy aho tany ampoko!

Zavona Rakoto 12004 00205
--------
Rohy:
341 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115