Ranon’ampango - Zo-Maminirina
Matetika misy ny sarotra atelina
Saingy tsy maintsy mijoro sy miatrika,
Na rano mangitsy aza, mahadomelina
Na aza milentika mafy ny fantsika.
Isika dia tsy mba sakaizan’ny kivy
Ka hoe hitanondrika anilan’ny sarotra,
Atao am-pisainana ny kiribiby,
Tsy atao amboletra ihany koa ny adivarotra
Isika tsy hanaiky ny tsindritsindriana,
Kanefa mamindra amim-pahamailoana,
Ny akanintsika ho kindriandriana,
Hajaina daholo ny mari-piatoana.
Matoa misy mantsy ny teboka, faingo,
Ny tsoraka na fononteny ihany koa,
Ny fiainana mihitsy no feno baraingo,
Tsy atao mahakivy mankarary an-doha!
Saingy ny tena tsy azo lembenana
Manan’ny rariny tsy azo andeferana.
Arefotra ihany amin’izay fitenenana,
Raha sendra lehibe tsy mba azo ianteherana !
Tampohana ranom-boafotsy ny siran’
Ny fiainana raha toa ka mangidy loatra !
Siahina mangingina ny hiran’
Fanantenana ao am-po tsy miloaka !
…
Zo-Maminirina
05 okt 2015
Mombamomba
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Nampiditra : beloupDaty : 12/11/2015
Mpamangy : 1127
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
injao fa midona ny voalohNy tebitebinao
Rara-kintana
Diso ve raha taitra
arovy ny foko