AZA KIVY (Zoana15)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia maro ny ankaso sy ny hetraketraka eto an-tanyNa dia betsaka tsy tia, mpanakivy sesilany
Aoka ianao tsy ho kivy, mijoroa hatrany hatrany
Ho sasam-poana ireo mpisompatra, ny eto anie mandalo ihany
Na dia maro ny alahelo, ranomaso sy toloko
Na dia betsaka ny trosa, mbola ho voaloa na dia miavosa
Aoka ianao tena hijoro, izay no ampinga enti-miady
Ho sasam-poana izay tsy tia, ny fiainana eto anie ka ady
Na dia maro ireo mpanenjika, milaza anao tsy mba ho mendrika
Na dia betsaka ny faly, mahita anao mijalijaly
Aoka ianao hitsiky hatrany, ho vonona hanohy ny dia
Ho reraka eo ireo mpankahala, ny hiala ho sanatria!
Na dia maro ny fitia natolotra tsy nila tambiny
Na dia maro ireo tsy nandray, noho ilay fo feno avonavona
Aoka ianao tsy hanenina, na koa hoe hitoloko
Tsy hiala maina ianao satria, hiahy anao anie ny Tompo!
Zoana 20/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
Mpakafy:
nathy15
Hevitra mandeha
andry 1000
(
20/05/2015 09:09)
misaotra ranabavy a! voavalindry amin'ito tononkalo ito le tonokaloko hoe " manenjika ny tsy azo "
zoana15
(
20/05/2015 09:54)
misaotra e! mazotoa manoratra hatrany fa tsara be daholo ny tononkalonao!
nathy15
(
20/05/2015 12:28)
msotr btsk @fapaerezana d mrary soa,