TSIARO ANAO - Zoana15
Azo vakiana?
Rehefa injay mby an-dohako ao
Ilay tsiaro anao
Izay tsy azoko sakanana
Na dia eo ny herin-tsaiko
Dia tena tsy haiko notanana
Ity ranomasoko ry aiko!
Rehefa injay maloka iny ny andro
Ilay tsiaro anao
Izay tsy maty am-poko ao
Na dia satriko tsy henoina
Tena tsy azoko baikoina!
Mamelovelo anatiko any!
Rehefa mody masoandro iny!
Ilay tsiaro anao
Izay tena tsy azoko ivalozana
Na koa aza hoe hifonana
Dia tena tonga tsy mitsetra
Mifetopetoka ny anatiko rehetra!
Indrisy! resinao aho!
R’ilay tsiaro anao!
Mombamomba
Mpanoratra : Zoana15

Nampiditra : zoana15
Daty : 05/06/2015
Mpamangy : 1028
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IZY VALO MIANAKAMAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
VOLANA
TIAKO SADY HALAKO
MODIANA FANINA
MISAOTRA
ZANAKO
AZA KIVY