TIAKO SADY HALAKO - Zoana15
Azo vakiana?
Toa tiako, toa halako
Ankahalaiko, toa malalako
Rehefa tsy eo tena tadiaviko
Anilako eo mila ho adaboko
Rehefa tiana toa variana
Tsy rarahina mila ho gina
Alaina mora zary mafy
Tsy anatonana vao mihafy
Toa tiako, toa halako
Tahak’izany ilay anjarako
Akaiko eo toa mankaleo
Tsy hitako eo, mampitoreo
Zoana15
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
hery (03/06/2015 10:59:57)
Mahafinaritra.
Aingam-panahy tonga matetika ao antsain'ny poeta na vahiny na malagasy.
- Grande grande grande (Mina)
- Never, never, never (Shirley Bassey)
- I hate you then I love you (Celine Dion)
- Tia (Rado) http://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/tia-6
andry 1000 (04/06/2015 03:44:58)
sao dia tokony atao boky mihintsy ny tonokalondry akia kah! tena kanto nie e!! za tena manaiky mihintsy
zoana15 (04/06/2015 06:36:47)
Mombamomba
Mpanoratra : Zoana15

Nampiditra : zoana15
Daty : 03/06/2015
Mpamangy : 1661
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
IZY VALO MIANAKAMAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
VOLANA
MODIANA FANINA
MISAOTRA
ZANAKO
AZA KIVY