You are here: home > Vetso

ZANAKO - Zoana15

Azo vakiana?

Ny antom-pisiako eto an-tany,
Tsy iza ry zanako fa ianao irery ihany
Raha tonga ny andro  any aoriana any,
Izaho ho lasana tsy mila tomany
Atreho re ny fiainana fa aza misento,
Ny zavatra atolotro anao dia ireto

Tohero ny ratsy, manaova ny soa,
Aza atao tsinontsinona ny anatr’Ineny
Manaova ny tsara, mitomboa fahendrena,
Mahereza mivavaka fa tsara izy ireny
Manaova asa mendrika sy asa madio,
Fa tsy hanenina ianao, izay no tadidio!

Ny ho avinao mamiratra, izay re no tanjoko
Ny momba anao rehetra dia mbola ho sahaniko
Na maro aza ny olana mbola ho sedraina
Mbola eo foana Ineny raha mbola ilaina
Tiako ho fantatrao fa izao rehetra izao
Dia zava-poana sy mandalo fa mila mailo ianao!

Zoana

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Zoana15


Nampiditra : zoana15
Daty : 20/05/2015
Mpamangy : 1609
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

IZY VALO MIANAKA
MAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
VOLANA
TIAKO SADY HALAKO
MODIANA FANINA
MISAOTRA
AZA KIVY