MODIANA FANINA - Zoana15
Azo vakiana?
Aleo modiana fanina
‘ty fiaina-mahafanina
Modiana tsisy akory
Ireo zava-mahaory!
Odiana tsy jerena
Ireo zava-mahonena
Izay tena nahasorena
Izay tonga eo ekena!
Atao ohatran’ny tsisy
Ireo olana efa nisy
Aleo hivalona any
Ho hita eo izay hiafarany!
Aleo hijanona any
Toloko sy tomany
Atao hoe faly foana
Na dia misavoana!
Aleo tsy asiana resaka
Izay tena nahatezitra
Tsy asiana lonilony
Na dia tsy nampitony!
Ny olana eto an-tany
Tsy ho foana izany
Ka asakao izay mihevitra
Hoe zaho no diso hevitra!
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
andry 1000 (01/06/2015 06:15:01)
tsy diso mihintsy ny hevitr'indry bavy an!! izany no tena marina fa ady ny fiainana nie e! dia aleo iadivana any fa izaho koa no manaiky ho resy eo hihihi
Mombamomba
Mpanoratra : Zoana15

Nampiditra : zoana15
Daty : 29/05/2015
Mpamangy : 1079
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
IZY VALO MIANAKAMAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
VOLANA
TIAKO SADY HALAKO
MISAOTRA
ZANAKO
AZA KIVY