You are here: home > Vetso

AZA KIVY - Zoana15

Azo vakiana?

Na dia maro ny ankaso sy ny hetraketraka eto an-tany
Na dia betsaka tsy tia, mpanakivy sesilany
Aoka ianao tsy ho kivy, mijoroa hatrany hatrany
Ho sasam-poana ireo mpisompatra, ny eto anie mandalo ihany

Na dia maro ny alahelo, ranomaso sy toloko
Na dia betsaka ny trosa, mbola ho voaloa na dia miavosa
Aoka ianao tena hijoro, izay no ampinga enti-miady
Ho sasam-poana izay tsy tia, ny fiainana eto anie ka ady

Na dia maro ireo mpanenjika, milaza anao tsy mba ho mendrika
Na dia betsaka ny  faly, mahita anao mijalijaly
Aoka ianao hitsiky hatrany, ho vonona hanohy ny dia
Ho reraka eo ireo mpankahala, ny hiala ho sanatria!

Na dia maro ny fitia natolotra tsy nila tambiny
Na dia maro ireo  tsy nandray, noho ilay fo feno avonavona
Aoka ianao tsy hanenina, na koa hoe hitoloko
Tsy hiala maina ianao satria, hiahy anao anie ny Tompo!

Zoana 20/05/2015

Sokajy : Fampaherezana

Hevitra mandeha

andry 1000 (20/05/2015 09:09:42)

misaotra ranabavy a! voavalindry amin'ito tononkalo ito le tonokaloko hoe " manenjika ny tsy azo "

zoana15 (20/05/2015 09:54:14)

misaotra e! mazotoa manoratra hatrany fa tsara be daholo ny tononkalonao!

nathy15 (20/05/2015 12:28:02)

msotr btsk @fapaerezana d mrary soa,

Mombamomba

Mpanoratra : Zoana15


Nampiditra : zoana15
Daty : 20/05/2015
Mpamangy : 1994
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

IZY VALO MIANAKA
MAHAIZA MIONONA
MBA VALIO
TENINTSIKA
TSIARO ANAO
VOLANA
TIAKO SADY HALAKO
MODIANA FANINA
MISAOTRA
ZANAKO