LASA TSY NIMPODY (Zoana15)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao telo volana monja nahitana masoandro
Ity zanantsika izay nirina fatratra
Dia indro ianao lasana, tena tsy voasakana
Niala tato antrano, izahay tsy nahafantatra

Ny hany teninao dia andeha ianao hilalao
Natakalonao baolina izaho sy ny zanakao
Niezaka nanakana, ity Renin-janakao
Indrisy ny hilalao ihany no hany tao an-tsainao!

Fahasahiranana, adin-tsaina no hany niainanay
Ianao tsy niasa saina, fa iny aho no lasa izay!
Avelako eo aloha nareo fa zaho andeha kely
Hoy mihintsy ianao, nanoroka ity zazakely!

Afaka telo andro ny nandehananao
Dia indro tonga ny hafatra avy amin’ny zokinao
Midina ianareo mianaka fa tena voa lery
Izao dia izao nareo dia tsy maintsy tonga aty!

Fahasahiranana, hakiviana no nanjo ny tena
Raha nahita azy nivalapatra izay tena nahonena
Tsy nisy intsony azo atao na dia niala nenina
Ny hany azo atao dia nigogogogo tsy hay nafenina!

Fotoana fohy no niarahana, dia tonga fisarahana
Izao angamba no anjara, ka tsy maintsy zakaina
Madria am-piadanana izay no azonay lazaina
Ny anay mianaka ny tohiny mbola tsy hita ho tantaraina!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1174 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/05/2015 05:30)
henjana le tantara fa izay no anjara e!!!!!
Aza tomany intsony!

aok'izay ny sentosento
ny ranomaso ajanony
fandalovana ny eto,
dia meteza mba mitony
fa tsy vao ianao
no tojo tahak'izao:

Efa nisy koa izany,
nilaozan-tiana tsy tomany,
satria ninoany ilay malalany
fa hitsimbina ny lalany,
hiambina azy sy hitahy,
mandram-pihaonan'izy,
ireo any an-tanin'ny fanahy.

Koa mba tahafo izay inoany,
Ny alahelonao onony,
ary aza mitomany intsony!!!
fa hitari-dalana hitahy,
ny ray sy tompo ao ambony
andry 1000 ( 21/05/2015 06:38)
tsy misy fisaorana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoana15
Nampiditra : zoana15
Daty : 20/05/2015 06:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0402