FANALA SENTO ! - zokieva
FANALA SENTO !
Jesoa ô! mihodinkodina ny saiko
Tena miasa tsy miato
Mitambolona tsy haiko
Fa tsy mandry ivohon’ ny vato.
Adin- tsaina sesilany
Ka mandrongatra aok’izany !
Mitady fitsaharana
Fa tsy mahita hamaharana.
Eh ! tena iriko fatratra,
Izany hoe « ho tonga lafatra »
Ny faratampom- piadanana
No iriko mba hananana !
Ny ho lohany fa tsy ho rambony
Ny ho ambony fa tsy ambany
Fanamby tsy misy tambiny
Efa teniNao izany !
Fa raha manaiky Ahy ianao
Ka hankatoa izany didiko
Hitoetra tsy handao
Ka hanao ny safidiko :
Dia ho anao ny Teny
Ka ho voatahy ombieny ombieny.
Mahareta, mahareta !
Izay no Teniko aminao
Mahatantesa,mahatantesa !
Fa ho tody aminao !
Ka ny teny fitahiana
Ho anao ry ilay niaritra
Ho tojo izay irina
Hiaina sy ho finaritra
« Ka na kely am-piandohana ;
Dia ho lehibe ny fiafarana »
Izay no vetsovetso
Ho fanala izany sento !
Ambodihady,23/04/11 t@ 3 ora tolakandro
Hevitra mandeha
frabesoa (18/09/2012 13:08:14)
Mombamomba
Mpanoratra : zokieva
Nampiditra : zokievaDaty : 25/07/2011
Mpamangy : 1408
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
nofy ririninaMitsikia
im-10 tsy miboredika
Andry RAJOELINA
politika gasy
NOFIM- PIFOHAZANA