NOFIM- PIFOHAZANA (zokieva)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIM- PIFOHAZANA

Sanatria ve ho nofy atoandro
Izao faniriako izao !
Fa manery ahy isanandro
Ka ho volaniko aminao.

Rahoviana Gasikara
vao tena hifoha tokoa ?
ka handroso hihatsara
ho lasa paradisa soa !

Ny vahoaka Malagasy
Izay manerana ny nosy
Tiako hadio tsy hisy tasy
Dia sanatria ve ka ho nofy ?

Ry sampana fifohazana
Izay mpitondra ny fanilo
Mpamoha ity tanindrazana
Mpanazava sy mpitsilo !

Vahoaka sesehena
No irina mba hifoha,
Ka ny iray firenena
Dia hiova fo tokoa !

Ry vahoaka tsy an- kanavaka !
Ry mpiray tanindrazana !
Andeha hifoha ka hivavaka !
Hiaraka @ fifohazana !

Mitsangàna,mihazavà, fa momba anao ny Tsitoha
Mikeleza aina, miasà, mivavahà, mirosoa !
Ny havoana, lohasaha, hatrany anaty ala !
Aza misalasala, ny antanàn- dehibe, antsoy mafy be !
Aza ariana ny fotoana ;aza avela ho babangoana
Na lahy na ampela, torio fa aza avela !

Mitoria ny filazantsara
Roahy ny devoly,sitrano ny marary !
Malaky fa sao tara ,aza avela hatoritory
Fa mijaly sady ory.

Izany rehetra izany, tsy adidiko irery !
Fa hiara- hiasa isika dia ho sitrana ny fery !
Ka ny « NOFIM- PIFOHAZANA »
Dia hifoha ity tanindrazana !

Zoma 18 desambra 2010 t@ 9 :40 mn
Zokieva Safif Ambodihady Vaovao
--------
Rohy:
1571 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zokieva
Nampiditra : zokieva
Daty : 25/07/2011 13:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101