Fahanginana (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Dafy Noely hoe Fahanginana

Ny fahanginan'ny mpanoratra
tsy tsitsy rora na faroratra
fa karajian'ny vinany
tsy mbola te hamonto tany

ny fahanginan'ny poeta
tsy hoe kahidy an-talenta
fa fandaminana mampiontana
ireo setran-betso mikorontana

ny fahanginana ao anatiny
tsy hoe feno ilay poakatiny
fa mandrira rima mba hirary
ho tononkalo sy kabary

ny fahanginany henonao
tsy ilay tsaho izao sy izao
fa fahanginan'ny mahery
hizara kanto ho anao irery
--------
Lien:
1572 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317