Handeha ianao (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handeha ianao,
Sady tsy azoko tazonina
No tsy azoko arahina

Handao ianao
Hamela nofinofy mamy
Inoako hanjohy antsika hatrany

Hody ianao
Hody any an-tanindrazana
Hamela ahy hanidy vazana

Raha dila ianao
Dia mety hoe rahoviana indray
Ny tanantsika no hifandray ?

Ho any ianao
Na dia nety taminao
”fotoana fohy sy vaovao”

Ho “lasa” ianao
fantatro fa tsy te handao
fa nisy ilay “tsy maintsy tao”

Raha lasa ianao
Soava dia, dia miverena
Zaho miandry anao sy manantena


08/07/04
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1891 1
Fans: mickellia 06
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308