You are here: home > Vetso

RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY NY KINASA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

RAHA TIANA HAHOMBY NY VINA SY NY KINASA

Mahavariana ny mandinika ny fiainana an-tany ;
Indrindra raha ny eo anivon'ny fiaraha-monina.
Satria ny an-kijerijery sy ny fitsabahana hatrany,
No tena manjaka, ka io no tena mampiolonolona.

Raha vao mihetsika ianao dia be ny manontany,
O! ry ramose, o! ry madama, ho aiza izato ianao ?
Manao metimety, ny akanjo ambony sy ambany.
Mba zarazarao re, ary koa, mba ambarambarao.

Raha iny ianao no tsotra,  ka roboka ny milaza ;
Ka mivoaka hatramin'izay tsy tokony holazaina.
Dia tsy lavitra eo akory, lazaina fa te ho halaza.
Izay no  miandry, kevoka hono, ka te ho deraina.

Ny mahagaga mantsy amin'izao vanin'andro izao,
Dia  hita  isan'andro, anatin'ny  ireny  tambajotra ;
Fitantarana ny fiainana, ho hitan'izao tontolo izao,
Tsy ny omaly ihany, fa koa ireo lalana sy ny zotra.

Misy anefa ny mikendry, ny ao an-tsainy hamotika.
Mitsikilo isan'andro vaky, ahafahany ny mandrava.
Ory hava-manana, miaraka amin'ny fo tena lotika.
Misaina foana ny hamono, ny hampiasa hazo lava.

Koa fahendrena re ry tanora, ramose sy madama ;
Dia  ny tsy be tantara amin'ny zavatra izay hatao.
Raha tsy izany dia hianjera, ny tany koa malama ;
Ka  izay vao tena ho sahirana,  ka hoe akory atao.
.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Aprily 2019

Hevitra mandeha

s19andry5851 (15/07/2019 03:58:06)

AZA HADINO ny manindry ny "ANKAFIZIKO" raha tianao !
Misaotra Tompoko !

Hametraka hevitra

Midira aloha